Covid-19 - Mada - RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Azo vakiana?
Bibikely tsy fantam-piaviana
No nahatonga olana be eran-tany
Ny faharinganany tsy hay hoe rahoviana
Ny olona voa ity mitombo sesilany
Nalaza tato ho ato fa isika no nahita ny fanefitra
Topak'izay dia naverina nianatra ny ankizy
Tsy maintso misotro izay tsy manaraka kosa mandefitra
Miandry ny fahataperan'ny krizy
Mitabataba indray anefa ny ekipan' Ikotoronono
Fanafody tsy hay hoe avy aiza, avy any @ mpisikidy?
Mba leo koa mantsy izy, mahita malagasy voavono
Fa tsy mba nisy nihaino kosa, anisan'izany Ikotomangidy
Ny sasany kosa mizara tambavy etsy sy eroa
Ary mandrisika ny vahoaka hanohy ny fiaianana mahazatra
Ity moa izany lazaina fa fiarovam-bahoaka fa tsy misy tombotsoa
Tsy hay ny marina, ny fanafody aza dia tsy hay izay fatra
Ny teniko kely fotsiny dia izao
Mamy ny aina tsy azo atao ambanin-javatra
Arovy ny tena sy ny fianakavianao
Araho ny fitsipaka ara-pahasalamana, ary aza hadino ny mivavaka
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMANANA Christian Gabriel

Nampiditra : lekkra04
Daty : 27/04/2020
Mpamangy : 612
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tano ny azo fa sarotra ny milaTiako be i mama
Fahaleovantena
Ny teny malagasy
Ny fahalalana
Adala angaha ianao
Paradisa
Fihaonana voalohany
Efitra kely voafono fitiavana
Ilay feo