Fahaleovantena (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahaleovantena

Fahaleovantena
Fahafahana mizaka tena irery
Fisarahana tamin'ireo nanjanaka
Ireo izay nampitondra fery
Ka izao mbola lovain'ny taranaka

Fahaleovantena
Saritsariny ihany
Satria toa mbola miankidoha
Izay mitondra tsy hita ny fahefàny
Nampatoriana dia tsy nifoha

Fahaleovantena
Na dia eo aza izany, dia mamy ao am-po
Mipetraka ho tsiahy mijanona ho tantara
Ireo ady mafy nataon'ireo mahery fo
Tsy ho hadinon'ireo dimby sy fara

Fahaleovantena
Nampitsangana ny hira ary ny sainam-pirenena.
Eo ihany koa fiarovana ny teny malagasy
Ny saina izay miloko maintso fotsy mena
Tsy nitsangana raha tsy nisy poa-basy

Fahaleovantena
Izay azo lazaina fa azo efa ela
Raha dinihana anefa toa tsy misy zavatra mivoatra
Noho ilay toe-tsaina voazanaka tavela?
No manakana ny firenena mba hihoatra?

Fahaleovantena
Mila tsapan'ny tsirairay
Fahalalana ara-tsaina, fivoarana ara-piarahamonina
Vahoaka mitambatra, vahoaka iray
Andao ny hiram-pirenena ho redonina

RAKOTOMANANA Christian Gabriel
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - fiainana
704 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0642