Hiaraka hanarina (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taona maro namikirana
Tsy mba misy sahy niahy
Manantena hahita mangirana
Fa hatreto aloha mangahiahy

Nifandimby ny fampanantenana
Fa hanala ahy anaty aizina
Ny vava hay no nalama
Ka noheverina fa avo razana

Izaho moa tsy mba mahalala
Fa izay miteny dia mahazo tehaka sy horaka
Izaho angamba ilay mandry am-bavahady toa valala
Zarany aza, ny marina koa tsy hiboraka

Noraisiko ny teny
Voalahatro ho tanjona
Tsy tapaka fa mitohy lava reny
Kanefa mbola mahatalanjona

Tia hihinana aho fa tsy afaka
Tsy hita izay lalana haleha
Izay mahita no mandrapaka
Ary tsy ataony indray mandeha

Ny enti-manana misy any an-tokontany
Fa izaho no tsy miraharaha
Kely sisa dia ho lany
Angamba @izay ny gadra vao hivaha?

Tsy liana fandraharahana tokoa vare
Sa ny sofina tsy tia hahare
Ny saina no efa tsy mety mandray
Ny maso tsy mety misokatra, ny mitazana alavitra tsy hay

Lalina izany ka marina
Raha hiteny ny feo no ho farina
Fisainana no halefa alavitra
Izay no hita fa hahavotra

Esoriko amiko ny fiankinan-doha
Ndeha aho hamakivaky ny tany hitady izay mahasoa
Entiko ny namako tsy avelako hivarina
Hiaraka isika, hiaraka hanarina.

RAKOTOMANANA Christian Gabriel
--------
Rohy:
608 1
Mpakafy: lekkra04
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144