You are here: home > Vetso

Fitiavako - RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND

Azo vakiana?

ianao no tiko sy safidiko
nambabo ny fitiavako
ka anefako ny adidiko
sy anoroka ny tavako

          ny ventsoventso tao anaty
          ny fitiavako anao
          koa lazaiko tsy hotanty
          raha hiala eo anilanao

voady tena mafy horona
no iakinanao ri lala
koa aleo dia tsorina
fa tsy haiko ny hiala

                      tsy diso aho manambara
                      fa izany no fitia
                      nefa aoka ianao tsy hitsara
                      fa  ekeo ho dory

fitiavako! nanala fahotana
manda mpahafahana
fahavalo pahafahana          
  rafy mpisarahana

                       sarobidy anao irery
                       ny foko nanteheranao
                       koa tandremo sao very
                       na hisy hanao ankila-bao

izay no ventsoko aminao
koa raiso re rahavako
ity foko mitalao
fa izany no fitiavako.

                              RMR(deba)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RAMAROSOANOMENJANAHARY ROLAND

Nampiditra : deba
Daty : 20/11/2003
Mpamangy : 2930
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ianao iny!
Ho an'ilay tiako tsy lavitr'ahy
Fo maratra
Fo maratra
Raha toa tsy andrinao