Ankahalao (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankahalao f'aza tiavina
Ratrao ny fony aza tambazina
Korontany aza alamina
Ozony foana tsy ho manina
....
Tampeno sofina tsy haheno
Bangao ny ahy tsy ho feno
Izay mba ahy dia sompary
Atao izay mba hamparary
....
Lero ny antsy hivoaka lio
Ny mangidy entiko ampio
Fingano foana re ho lavo
Ho ao anaty tany mavo
....
Higoka izay mangidy an-tany
Hahatsapa izay mampitomany
Izay natsangako ravao
Izay nosorotako fafao
....
Izay kinasako esory
Arosoy ny mampahory
Ampahorio hisaona lava
Hany ka hanafin-tava
....
Aza avela ho sambatra
Na amin'olona hitambatra
Ambanio hitoka-monina
Aratsio tsy ho tononina
....
Ilay anarako toa ratsy
Ho adinoina atsy ho atsy
Anarana toa manozona
Mitoetra lava eo am-bozona
....
Aza avela ho tiavin'olona
Sy handresy raha mitolona
Fa gadrao an-tranomaizina
K'isan'andro re ho faizina
Fetraniaina
09/01/16
--------
Rohy:
922 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014