"Diary" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tokana tsy tontan'ny ela
Dia tsara notanako tsy mba navela
Zavatra tokana tsy hay adinoina
Tokana an-tany ka kolokoloina
....
Tanana iray satry hivahianana
Raha iny handao azy dia mikopa-tanana
Satry hitomoerana mandrakizay
Tanana tsy foy nibeazana anay
....
Irony vohitra nitazatazanana
Loharano nipoiran'ireo enti-manana
Irony vohitra faleha matetika
Manandratra hatrany fa tsy mba mandentika
....
Iry tanimbariko iray fiasako
Novonjeko foana fa tsy mba nialako
Iry tanimbary niasako mafy
Dia hany tokako tsy miova lafy
....
Tokako anie ity hany mijoro
Vatolampy tokana tsy mba mikoro
Tokako anie ity hany tinaiza
Hitako tany nalaiko ho sakaiza
...
Ka na inona ireny mijoro ho ratsy
Ny fitoniana anaty no ataoko vatsy
K'ireo izay mitranga mamparary fo
Ho sitram-pitiavana izay tsy ho lo
...
Ka ho toloram-pitia omban-teny mamy
Ianao ry tiako izay mijoro hatrany
Ho tanako fa tiako ho ahy irery
Karohiko hatraiza raha sendra very
Fetraniaina
08/01/16
--------
Rohy:
1532 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011