You are here: home > Vetso

Samy tia - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Eny samy  tia tokoa
Mifankatia isika roa
Mifankatia sy mifamatotra
Hiara-hisedra izany sarotra
-Eny samy tia tokoa
Hifanolotra ny soa
Hifampizara hafaliana
Ka ho to izay niriana
-Eny samy tia tokoa
Izay volena dia namoa
Ny kinasa dia tanteraka
Manan-kery tsy mba reraka
-Eny tena tia ka resy
Izaho mitia anao ity
Tsy mba  lainga izany retsy
F'izaho anie dia mankafy
-Tsy somonga anie ry tiana
Ny fitiavako anao
K'izay taloha dia tsy hariana
Fa mitoetra anatiko ao
-Raiso izany foko
Fa tena babonao
Izaho ilay mitoloko
Faly izao f'anilanao

Hametraka hevitra

Midira aloha