Fa nisy naninona (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Fa nisy maninona,ratsy loatra angamba
Ny masoko nahiratra nilaozanao ka jamba
Manjaka ny alahelo,izao eram-po izao
Fa tampoka ho ahy ny nandehananao
-ka hatoky anao ry tiana izany fo amam-panahy
Matokia re ny hampirafy tsy ho sahy
Izay ataoko aty na dia tsy hitanao
Dia tsy misy ahiana fa tiko loatra ianao
Fa izaho re mitia ary tena tia tokoa
Ho toy ny hatsaram-boninkazo ny fitiavantsika roa
Tsy adino ny endrikao fa mitoetra ao an-tsaina
Kanto re izao tontolo ka hafaliana ho ahy ny miaina
Maro koa ny lalana izay mbola ho diavina
Sosoa ianao no tiko,mandrakizay ho tiavina
Ry vorona manidina, ny aty re mitaraina
Ka ivazoy ny fo, ampitonio ny saina
Mafy ny alahelo,tsy fanta-piaviana
Na nampahory aza,ny lasa tsy hariana
Tahiry ho ao am-po ny fitia mateza
Ry malahelo fo, ho aho mahereza
Saromy ny fitiavana izay tsy zakanao
Andeha re ataovy,tanteraho izao
Soa ho anao izany hoe mitia
Ry mitanondri-dava hoy aho mifalia
Ry voron-kely irony velon-kalokalo
Mba mitoera re fa aza mba mandalo
Ilay hany novelomiko tsy faty sanatria
R'ilay mpisento lava hoy aho mitonia
--------
Rohy:
1077 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143