Fanadinoana (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Fanadinoana"
Ny hanadino anao rahavako
No tiko hiloaka avy ao am-bavako
Ho adinoiko tsy ho tsaroana
Hifanadino tsy ankifona
Milaza fa tsy tia intsony
Aleo hatreo dia samy tony
Ianao lay hany nantenaina
No nampisavovona ny saina
Aleo hijanona hatreo
Tsy tia intsony aho tena leo
Aleoko hitady any an-kafa
Aoka isika samy hamafa
Tsy ho tsaroan'ity vavako
Izany maminao rahavako
Fony nitantana ny tanako
Ny hasambarana nananako
Fetraniaina
--------
Rohy:
1293 0
Hevitra mandeha
ulquiorrafetraniaina ( 05/09/2015 04:46)
Niantso ny olon-tiako aho ny alin'ny faha 4 ny volana septambra ka niteny izy hoe hanambady ! Nisaraka izahay roa no dikany ka vao nifoha maraina aho ny asabotsy 5 septambra dia namorona an'io tononkalo io !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141