You are here: home > Vetso

Hafoiko - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Hafoiko ilay fitia,naniry hatrizay
Kanefa toa tsaroana,ny hanadino izany tsy hay
Ka tsy maintsy anefa ho adino ilay notiavina
Fitia manalasala,mampahory mahatsiravina
-Na tiana aza izy,ho adino ireny tsikiny
Satria aho  mba te hanantona no ity nahifiny
Endrey toa sasa-poana,ny mitia hatrany
Indro izaho migoka,ny mangidy eto an-tany
-Niova lapa teo,ny fonenako niorina
Lavo tamin'ny tany,ka indro tsy tafarina
Eh!.....indreo fa very maina ny ezaka natao
Ry mpampitony fo tsy foiko nefa ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha