Ilay reniko (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay reniko fananako
No inty tsy hita intsony
Ny hasambarana nananako
Fa nanakaiky ahy ny fony
-Mijaly ity kamboty reny
Mandeha sy mamindra irery
Fa ireny anatra sy teny
Notazomiko tsy very
-Aiza re izao no haleha ?
Fa tsy eto intsony I mama
Moa mbola hirehareha ?
Nefa ity lalana malama
-Fery iray tsy hay sitranina
Izany hoe nilaozan-dreny
Izay aleha dia mahafanina
Toa olona farofy ireny
-Fa tsy mba nifankafoy
Anie izaho sy mama
Andeha alaivo iroy
Zahao fa mahasalama
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
1173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147