"Iny zaza iny" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Tsy mba manan-tsiny
Iny zaza iny
Eny an-dalana mangataka
Sy miandry izay hilatsaka
-Miandry izay tsy lany
Sy milatsaka amin'ny tany
Tsy lanin'ireo mpanana
Raisiny amin'ny tanana
-Oh ! Mitaraina ity zaza
Fa mba te halaza
Sy ho lasa lavitra
Haniry toy ny ahitra
-Mba mahatsiaro ory
Tsy rarahiana akory
Mitaraina hoe : omeo
Na dia efa farim-peo
-Aza kivy ianao ry zandry
Ny tsara ataovy andry
Hijoroan'ny fiainanao
Sy hampifaly anao
-Mandrapaharivan'ny andro
Milentika masoandro
Fa dia mangataka eo
Na dia efa farim-peo
-Tsinjovy re ry Raiko
Maharary ahy ny aiko
Mahita ity mangataka
Miandry izay mba hataka
--------
Rohy:
1158 0
Hevitra mandeha
tojoninofy ( 14/12/2015 16:54)
Mafinaritrrrra rangah rehefa mahatsapa ny fahoriany afa a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149