You are here: home > Vetso

Izaho malahelo - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Izaho malahelo
Avia ampitonio
R'ilay mpamelovelo
Avia ahitsio
-Izato ranomasoko
Avia mba fafao
Fa izay hany mba narosoko
No hatolotro anao
-Izaho manirery
Avia ianao ho namako
Ho tanako tsy ho very
Ireo izay mba fananako
-Andeha ho zaraina
Ireo soa izay mba azo
Toy ireny manan'aina
Tsy mba mety halazo
-Izao no faniriako
Handeha ho eny am-pita
Ho antsoiko  ireo nampiako
Raha tohanany aho  tafita
-Izany tsara iroy
Moa hay atao tahiry?
Izaho  tsy mahafoy
Ilay voninkazo izay naniry
-Ny alaheloko tsy tana
Fa mitamberina ry nama
Tsy sitrapoko anie izao
Ny ranomasoko fafao

Hametraka hevitra

Midira aloha