Nitia aho (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....
Nitia aho dia nolavina
Nanome tsy nankatoavina
Nizara tsy nonerana
Diso tsy andeferana
....
Nitia aho tsy nekena
Toy ireny noterena
Nahafoy tsy novaliana
Tsy notoloran-kafaliana
....
Nanantona natositosika
Indro tena rotidrotika
Nanambitamby nitezerana
Tsy navela hanan-toerana
....
Te handroso nosakanana
Tsy ho sendra iry fananana
Te hatory kotabaina
Tiana ho tapitra ny aina
....
Ny fiarahana naharitra
Dia indro efa tapitra
Ny toky mba nomena
Lasa nahasorena
....
Tsy nampoiziko ho adinoiny
Izaho lay tokana tsy foiny
Indro foana ny anay
Ny ato am-poko mahamay
....
Noheveriko fa mora izany manadino
Ka saro-tanterahina fa tena tsy mampino
Kay izao vao tsapako fa sarotra ny hamafa
Ny fitiavako tsy foana f'izy efa lasa
....
Indrisy mantsy fa rava ilay fitia
Ny foko te hisintaka sy handeha hania
Afoiko eny ianao ry tiana mpivahiny
Isika hifanadino tsy ifanomezan-tsiny
--------
Rohy:
1352 1
Mpakafy: Ny solo
Hevitra mandeha
ulquiorrafetraniaina ( 09/01/2016 09:20)
Asa raha ho zakan'ilay olon-tiako taloha vao nisaraka tamiko vao haingana ny hahita ka hamaky ity tononkalo ity!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147