Ny alaheloko (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Indro ity misento ilay foko izay mba faly
Nantenaiko hahasambatra, ity no mampijaly
Maha te hamoy fo,fa mafy loatra re !
Ilay andrin'ity foko,tsaroako foana anie !
-Nahoana re ny nofiko no tsy mba mety ho to
Ny tahiry mba nananako,jereo ange fa lo
Aiza re izao,ilay sombin-kafaliana ?
Fa ny ho anilany no hany mba iriana
-Maneho alahelo,ny fitempon'ity foko
Ilay nandravoravo,no ity mampitoloko
Tsaroako foana izy lavitra any ho any
Fa ny fitiavako azy dia tsy mba mety ho lany
-Moa hay toherina,izato alahelo
Ry mpanolotra ny soa ary koa mpamelovelo
Fa raha ny misy anao,soa ny tontolo
Etsy ho fihiniko,ry tokana tsy hasolo
-Tsaroako ny hantahanta sy angotingotinao
Tsy mety ho voafafa ao anaty saiko ao
Iriako hibaliaka,ny androntsika roa
Andeha re hihary,hifampizara soa
-Na toy ny inona saranga,tiko foana ianao
Satria ny mitia,mahavanona ny atao
Nahoana no nisintaka,ianao ry nandrandraina
Izaho aty tomany,isan'andro mitaraina
--------
Rohy:
1470 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099