"Ny aretiko" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahatsiaro ho marary
Izaho manoratra izao
Sao avy amin-janahary
Noho ny ratsy izay natao
....
Mba ampio f'izaho mijaly
Mahatsapa fanaintainana
Tsy mba toy ireo mifaly
Izay lavi-pitarainana
....
Mba ampio fa tsy salama
Farofy lava tsy mijanona
Sendra lalana malama
Hany ka tsy nahavanona
....
Mba ampio re aho ray olona
Fa tsy mba tahaka anareo
Tsy mandresy amin'ny tolona
Tomany lava mitoreo
....
Asa ra mba ho tomady
Izaho marary lava ity
Fa toa sasatra mitady
Ilay fanafody iray tery
....
Mba manahoana ny salama?
Mba manahoana ny mavitrika?
Mila fanampiana aho ry nama
Ny fahasalamako anie misitrika
....
Ianareo ireo izao dia sambatra
Tsy mba andairan'ny aretina
Raha tojo ady dia mitambatra
Iaraha-manana izay nentina
....
Tsy haiko intsony ny atao
Miasa foana re ny saiko
Raha hitaraina lava izao
Dia tsy ho hita ireo nalaiko
....
Aiza re ny tany aleha?
Fa ianareo dia tsy manahy
Afaka mirehareha
Miadan-tsaina fo,fanahy
....
Moa mba misy fanafody ?
Eto ambonin'ity tany?
Manahy aho sao tsy ho tody
Any am-piadanana any
....
Inona no atao ry namako?
Misento lava anie ny foko
Hany ka ireo fananako
Mizara tonga maro loko
....
K'izao no teny famaranako !
Mba atoroy ahy ilay hany iray
Mba ho raisin'ity tanako
Hijoro ho ahy mandrakizay
....
30/12/15
--------
Rohy:
1711 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113