You are here: home > Vetso

Ny fiainako - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

-Ilay fiainako nateza
Indro maizina sy lo
Fa ny lalako mideza
Ny iriako tsy mba to
-Fahatsiarovana mitoetra
Mitamberina ao an-tsaina
Izy ity tsy misy fetra
Mampitony ny taraina
-Rava vetivety,ny trano izay naoriko
Ireo ezaka nataoko,indreo fa very maina
Indreo tonga hiverina,ny ratsy noesoriko
Mampijaly ny ao anaty,mamelona taraina
-Mikasa ny hivoatra,kanefa sasa-poana
Mikasa ho tafita,kanefa tsy hita akory
Ireo mampitomany,toa tsy mba mety ho foana
Ilay soa mba notezaiko,no indro mampahory

Sokajy : Alahelo, fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha