Ny fitiavako (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Ny fitiavako naniry
Indro ity tonga hamoha
Ahatsapana hirifiry
Manda ny hiala ao an-doha
-Ny mitia ve mampahory?
Sa ahazoana fahasambarana ?
Ny alina aho tsy mba matory
Te hihaino fananarana
-Fa ny toky izay nomena
Hoe hitia mandrakizay
Izay am-po tsy mba terena
Hisy foana rahatrizay
-Ny fitia no mahavoky
Izany fo mba te hifaly
Izy anefa dia natoky
Fa mbola misy mampijaly
-Fa io fitiavana dia tsara
Ho an'izay mahay mikolo
Ka tsinjovy re ny afara
Hahasoa ny tontolo
--------
Rohy:
1278 1
Hevitra mandeha
andriithierrya ( 16/09/2015 07:46)
tsara ka
ulquiorrafetraniaina ( 28/09/2015 08:11)
Misaotr r'se a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.065