Ny hafaliana,fitsikiana ary ny fitiavana (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Tsara re ny andro raha misy hafaliana
K'izay olona mandalo toloram-pitsikiana
Ho vanona ny atao raha isika hanao izany
Izany ange mahery tsy resin'ny tomany
-Izany hoe mifaly dia sokajiana ho tsara
Singa mahakanto mameno ny tantara
Izany hoe mitsiky....eny tena lafatra
Ka azo ampitaina ho anao mpitondra hafatra
-Fa raha ny andronao no misy hafaliana
Ho sambatra tokoa fa to izay niriana
Aza mba manaiky ho resin'alahelo
Antsoy ny hafaliana hatao mpamelovelo
-Manampy anao hiatrika ity andro maman'ala
Ampahafantariko eto ho anao tsy mahalala
Fa tsara tena tsara tsy misy toy izany
Naman'ny fitiavana izay tokana an-tany
-Izay manam-pitiavana dia manan-kafaliana
Izay manam-pitiavana tsy azom-pijaliana
Izay manam-pitiavana tsy resin-katezerana
Izay manam-pitiavana dia ampy fiheverana
-F'izay tia mitsiky dia sambatra tokoa
F'izay tia mitsiky dia hanana ny soa
F'izay tia mitsiky mahery foana re
F'izay tia mitsiky atao hoe manam-be
--------
Rohy:
2169 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105