Rakalakely (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....
Ery am-baravarakely
No ijeren-drakalakely
Iry masoandro izay hilentika
Io ny tenany tsy mihetsika
....
Fa mitazatazana eo
Miandry izay mba ho anjara
Izay mpamitaka hatreo
Izy hitsinjo ny any afara
....
Eo am-baravarakely re
No iandrasany ny anjarany
Miandry izay mba hanome
Mba hampiova ny tantarany
....
Fa misy mandratra foana
Izato fon-drakalakely
Raha hitohy fa nahoana?
Ity ratsy izay mamely
....
Izy anefa manantena
Fa mbola ho avy ilay niriany
Tsy hoe hitsiriritra harena
Fa ho tody izay mba tiany
....
Manantena izy fa ho avy ny anjara
Indro takariva am-baravarakely
Tiany ho ampitaina izay zavatra nambara
Eny tiany loatra raha izany no haely
....
Aza misento intsony
Mifalia rakalakely
Ny fo ataovy tony
Na hisy ratsy tonga hively
....

Fafao ny ranomaso
O rakalakely izato
Efa ho foana ny ankaso
Ka hitsahatra,hiato
....
Fa tsy hoe hitohy hatrany
Ka hamingana anao
Handavo foana amin'ny tany
Hamafa ireny vaovao
.....
Minoa foana fa ho avy
Ilay anjarana nantenaina
Mifalia ry tovovavy
Hampateza izato aina
....
Tsy mba nitsinjo akory
Ny ho avinao ampita iroy
F'isan'andro mampahory
Namaoka foana ny tsy foy
....
Eny re ka ho sambatra
Izay mijoro toa anao
Sy mahay mitambatra
O ry namako izao
....
Andeha isika hifanampy
Ry tovovavy ory izao
Aty amiko miantsampy
Ho dioviko ny tavanao
....
Kotsan-dranomaso loatra
Tsy ilaozan-tsento lalina
Ka sao ho tonga any an-koatra
Tsy hahatsiaro intsony ny alina
....
Fetraniaina
14/01/16
--------
Rohy:
1065 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139