R'ilay tovovavy (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"R'ilay tovovavy"
....
Ry zatovovavy,avia ho andefimandriko
Raha reraka ianao miankina eto an-tsandriko
R'ilay tsara tarehy,avia re ho tiaviko
Ho andrin'ity foko,hanambina ny ho aviko
....
Andeha re hitazana,an-tendrombohitra eny
Hiresaka fitiavana,sy sangy lava reny
Voninkazo maro,mandravaka ny ala
Manitra aok'izany,soa ry malala
....
Ry mendrika aok'izany,hendry izato indry
Avia ihirao.....f'izaho mankafy
Avia mba ho namako,irery izao ny tena
Fa ny tsikinao mamiratra toa lokom-bolamena
....
R'ilay tsara tarehy,avia hanarina ahy
Fa mahatsiaro mila anao,ny fo amam-panahy
Ry tia mitsiky lava,nambabo anie ianao
Raha iny ianao nandalo,nanjary ny natao
....
Babonao anie foko ry mahay mifaly
Raha ny eo anilanao,lavitry ny jaly
Moa azoko angatahina,ianao ho olon-tiako?
Ny fiarahantsika efa ela no niriako .
....
Etsy ho tantaniko,r'ilay nirin'ny fo
Ny hatsaran-toetranao,tsy mba lety lo
Etsy ho samkambiniko,fa malandina aok'izany!
Izao e ! Tiko ianao.....izay fotsiny ihany
Fetraniaina
--------
Rohy:
1516 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145