"Sora-peniko" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antsan-dokanga izay sendra reko
Ventsom-baliha mandona fanahy
F'izay nisy tamiko indro nomeko
K'ireo izay nahazo dia tsy mba nanahy
....
Tendry gitara natao sesi-lany
Feon-kiritsana mananika sofina
Ilay toka-nazava ambonin'ny tany
Nanohitra foana nanda ny ho tsofina
....
Voro-mivazo mamoha maraina
Ny akoho amam-borona revo kotaba
Ny hazavana eny mandravaka aina
F'ity masoandro tonga niarahaba
...
Ny zava-maniry adolan'ny drivotra
Mipololoitra ny rano madio
Fa mijoro hatrany tsy mihovitrovitra
'Reo zava-maniry tsy ravan-tadio
...
Endrey ny lany foana 'ty penina ity
Anoratako izay hany tonga ato an-tsaiko
Penina tokana be mpankafy
Ilay penina tokana mamin'ny aiko
....
Ravim-bomanga nameno vilany
Natao ro-matsatso hihinanam-bary
F'ilay hany tokana nanolotra izany
Dia ilay avo indrindra : ny Tompo nahary
....
Zara aza misy ny fahavelomana
Ifaliana foana sy anaovan-korana
Fa misy aza izany ilaina ny miomana
Satria misy ny ratsy izay andrarana
....
Vely vilian'ireo zazakely
Mimenomenona am-piandrasan-kanina
Izay zavatra vao toa indro naely
Mamoha foana ny embona,hanina
....
Indreo tovovavy mazoto matsaka
Ny tovolahy ery miasa tany
Nahita voankazo ka rafitra naka
Izay tsy misy mihinana mihahaka hatrany
....
Ny vely varin'ireo nahavokatra
Injao fa reko ato an-joron-trano
Ny valan'ny omby dia indro misokatra
Higoka iry rano toa manganohano
....
Sy hihinam-bilona akaikin'ny ala
Ho voky foana alohan'ny hody
Manaova ny tsara ianareo mahalala
Hilamin-tsaina mba tsy ho azon-tody
...
Madiva hilentika ity masoandro
Ny mpiasa rehetra hamonjy fodiana
Fa nikiry foana maraina sy atoandro
Te ho tonga naman'ity hafaliana
....
K'izao re ry nama no hany ho lazaiko
Ny sora-peniko tsy hireharehako
Satria hany tokana hany mba haiko
Ny tsara ao-bala dia tsy ho vahako
....
30/12/15
--------
Rohy:
1065 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105