"Taraina" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry filoha tsy misaina
Miala teo fa mankaleo
Fa dia mamelona taraina
Ary dia mampitoreo
....
Ny vahoaka no mijaly
Sy mitarain aok'izany
Mila ho latsaka tomany
Izy ary toa falifaly
....
Filohantsika hono I Hery
Ha ! Tsy mampiomehy va izany?
Toa zaza milalao irery
Raha mianjera mitomany
....
Tena leo anao anie 'zahay
R'ilay filoha tsy aman-tsaina
Fa isan'andro ferin'aina
Toa hitsahatra tsy hay
.....
Andeha haongana zareo
Ity filoha tsy hahavita
Tsy ho tody eny am-pita
Koa ndeha esorina eo
......
Fetraniaina
23/12/15
--------
Rohy:
1054 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146