"Voninkazo" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Voninkazo"
....
Ity voninkazo
Dia naniry foana
Manda ny halazo
F'izy nefa noana
....
Voninkazo iray misaona
Ka dia nanganohano
Efa ho aman-taona
Tsy nolalovan-drano
....
Tsy mety halazo mihitsy
Fa mamelana hatrany
Ny toa azy anie tsy misy
F'izay dia tokana an-tany
....
Fa mahagaga re
Ity voninkazo ity
Tsy rarahiana ve ?
Fa dia mikiry ery
....
Anaty haizina mangina
Mitady hazavana
Izy tsara faniriana
Sy manam-pahatsarana
....
Anatin'ny mangidy
Mitady hamamiana
Ny fony tsy mihidy
F'itoeran-kafaliana
....
Ny ratsy no tatazana
Fa miaritra am-pitiavana
Fa tiany ho tomban-davana
Ny fiainany ry havana
....
Avia ry voninkazo
F'efa ela ianao niriako
Sy tiako mba ho azo
Fa andrim-pifaliako
....
Ho koloiko ianao ry irery
Sy hataoko tsara taiza
Raha sanatria very
Ho karohiko hatraiza
....
Atsaharo ny tomany
Oh ry voninkazo tiako
Niezaka hatrany
Koa ndeha re hampiako
....
Tokana ianao
Ry voninkazo tsara
Tehiriziko izao
Ho lovain'ny ao afara
Fetraniaina
--------
Rohy:
1561 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0298