Ny tiako (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tiako mantsy, izaho sy ianao
hiaraka eny foana,tsy hifandao
hiara-hizaka ny mafy eo amin'ity fiainana ity
hiara-higoka ny mamy, hifanolotra fitia

Ny tiako, io endrikao io ihany
no mba fijeriko hatrany hatrany
tsy nisy olon-kafa fa ianao tokoa
no mbola mamiko, mambabo ny fo

Ny tiako dia ny ho malalanao
izay no tanjoko amin'izao fotoana izao
tena mangetaheta fitia izany foko mitempo
tsy hialan-dranomaso, tsy mitrahatra misento

Ny tiako dia ny fitiavanao irery
no manjaka ao am-poko
hisakana ahy hanova fijery
sanatria ny hanova loko
--------
Rohy:
41 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 19/07/2026 00:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117