Nataoko izany ho anao (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tsara indrindra avy aty amiko
no efa nomeko tsotr'izao
nataoko izany ho anao
ho anao ry ilay mamiko

Na ny sarotra aza no manoloana ahy
tsy hanary anao ankaterena aho
vonona ny hanolo-tena ho anao
amin'ny androko rehetra, mandrakizay

Ho mariky ny fitiavako anao tsy mivadika
dia natolotro ho anao iny peratra iny
hiaro ahy sy ianao tsy hania
handresy ireo fakam-panahy, tsy ho tratrin'ny vela-pandrika

Fanamafisana ny fitiavantsika hatrizay
no nanaovana iny fanekena iny
nataoko izany mba tsy hananako tsiny
sy ho fahatsiarovana anao rahatrizay
--------
Rohy:
80 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 14/08/2026 02:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125