Tsy hadino (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny taona efa niarahana niaina
betsaka ireo zavatra nitranga
voatahiry ao am-po, miraikitra ao an-tsaina
natao hameno ireo banga

Tojo ny hafaliana indraindray
sendra ny alahelo tsy zaka ihany koa
dia ireo no nandravaka ny fiainantsika hatrizay
ary nampiaina hatrany ny tantarantsikaroa

Ny lasa hono tsy mba fanadino
ireo zava-bitantsika toa mbola iainako hatramin'izao
izaho miteny dia efa nino
fa tsy hadino ny momba ahy sy ianao

Mamy loatra ny fiarahana hatrizay
ataoko angamba fa sarotra ny hanadino azy
tsaroana foana izany indraindray
tena marina, tsy vazivazy
--------
Rohy:
56 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 24/05/2026 09:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116