Tsy foy (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ianao no safidy hatrizayniaraha-miana, niaraha-mitoetra
nahazatra ahy ianao, efa hay
tsara bika tokoa, mamiko toetra
Na mafy aza ny onjam-piainana
nosedraintsikaroa hatramin'izao
tebiteby lava, mikontana ny fisainana
na nisy izany, tsy foiko ianao
Teo ny androm-pifaliana, tena mamiko indrindra
niarahana nanatrika, samy nankafy
izaho sy ianao iray lalana, niaraka namindra
nizara ny soa sy ny mamy, nifanolotra fitia
Na ny mafy indrindra aza no miseho
hiafiko fa tiako loatra ianao
izaho efa nivonona ho anao rahateo
satria mamiko ny fiarahana toy izao
--------
Rohy:
