You are here: home > Vetso

Ho aiko ve ? - randria

Azo vakiana?

ho aiko ve ny tsy hahatsiaro,
na hamono ny eritreritro,
ny amin'ireo tantara maro,
nahatonga ireto feriko ?

ataoko ahoana no fiala,
hanadino na hametraka,
hinia mody tsy hahalala,
reo herisetran'hetraketraka ?

tsy ho efa zany sombinaiko,
tsy ho voakosoka ato an-tsaiko,
ary tena tsy ho fafaiko,
reo mangidy nozakaiko ...

ny fahatongavanao indray,
tsy hoe ambaniako sanatria,
fa leo aho no sady fay,
ny toa anao fa tsy fitia...

koa aza tsiny raha handa,
ny fahangatahanao rahavako,
mbola tia aho fa tsy sahy,
noho ny olam-perim-pitiavako .
                   R.J.O.

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

hasiniony (23/07/2005 16:51:08)

Nefa moa mba fantatrao fa ny fitiavana dradrainy
Dia ianao no mendrika azy sy efa masaka ao an-tsainy
Koa mba itodiho ihany fa aza dia ahisokisoka
Sao mba IZY no hanasitrana izato masonao voa ditsoka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : randria

Nampiditra : jari
Daty : 22/07/2005
Mpamangy : 871
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Dom-panantenana.
adidy!
jereo
Manga...na!
anio
tsy azy!...
Saraka!
Honjohonjoko...
Ngerok\'hirik\'ila.
Ngerok'hirik'ila.