You are here: home > Vetso

Ny hafatry dada... - randria

Azo vakiana?

Anaka...
iny taona iny hafahafa...
ny fiainako tsy nisy tanjona,
ny faniriako adaladala,
ny fisainako tsy nitombona,
ny vetsovetsoko lasan-davitra,
ny alaheloko niavosa,
ireo fiheveran-disoko,
ny fahoriako nivangongo,
ny fananako niparitaka,
ny fitiavako mijaly,
ny finoako miozongozona,
ny fivavahako tsianjery,
ny fanantenako ambiviny,
ny fianakaviako adino,
ny lasako mangidy,
ny tantara mahonenako,
ny eritreritro mikorontana,
ny vatako marary,
ny fireneko mahantra,
ianao kamboty velon-dRay,
izany sy ny ohatra azy,
no niteraka ny soratro,
ho rakitra sy fahatsiarovana,
fa efa nisy fahoriana,
ary efa nijaly isika...
ka tsarovy tsara anaka,
fa ny fiainana herisetra,
fiafiana, famolahana,
ka tsy hilaozana marary...
             R.J.O.

Hevitra mandeha

doum (01/08/2005 14:46:13)

marina zan ry R.J.O. a
tena mahatonga saina le izy
misaotra anareo e
ar ymahagaga fa mitovy2 zan ny fiantefan'ny tononkalonareo sy Nyeja ; "anaka," vaovao
tsara e
misaotra anareo mpanoratra

tia2005 (02/08/2005 17:18:37)

tsara ê!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : randria

Nampiditra : jari
Daty : 31/07/2005
Mpamangy : 1057
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Dom-panantenana.
adidy!
jereo
Manga...na!
anio
tsy azy!...
Saraka!
Honjohonjoko...
Ngerok\'hirik\'ila.
Ngerok'hirik'ila.