Tsy izany... (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy ny lalàn'ny fiaraha-monina,
tsy ny didin'ny mompera,
tsy tondo-molotr'olona,
tsy izany velively!
fa ny eo ampela-tànantsika...

tsy ny bedin'ny lehibe,
tsy ny tahotra baraka,
tsy ny ozona miantefa,
tsy izany hoy aho anao!
fa ny ao anaty mahatsapa...

tsy ny eso isanandro,
tsy ny lohanao miondrika,
tsy ny famoizam-po,
tsy izany sanatria :
fa ny fiatrehana ady...

tsy ny firavoana indray mitobaka,
tsy ny fety zay mandalo,
tsy ny hambom-pon'ny mpianakavy,
tsy ny ho hita ety ivelany,
fa ny fo mifankatia...

tsy ny ho hita maso ihany,
ary tsy zay azo tsapain-tànana,
tsy ny eo ho eo foana,
tsy izay no fahasambarana,
fa ny fo mifankatia...

tsy voatery ho ireny,
tsy ny fitsinjovam-boninahitra,
ary tsy ny elanelan-tany,
tsy izany mihitsy fa :
ny fitiavana mahery...

tsy ny fitarafana ny hafa,
tsy ny reha fa mahavita,
tsy ny hitangoronan'olona,
tsy izany sombinaiko...
fa ny fiainana ao aoriana...

tsapanao ve izany ?
mba azonao ny tiako ambara ?
meteza ianao ho izaho...
fa tena mafy ny ady ety...
meteza ho tsaraina,
dia tsy hisy intsony tsiny...
R.J.O.
--------
Rohy:
1402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 29/07/2005 19:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014