AMBONGADINY Raisiko ho s (Rangotra Voavitrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBONGADINY

Raisiko ho soritra adalàna
Raha ny fihetsiky ny foko
Mantsy voararan' ny lalàna
Ny mitroatra sy ny mioko

Kanefa toa sahilko niniana,
Tsy tsaroina nefa namana
Fa anio ny ahy ny faniriana
No avelako hialoha lalana

Avelao izaho mba handroba
Ilay ila sombim-pahazavany
Ho solon'ny anjarako ho lova
Hanarenako fiainana hakany

Manko aho asesiky ny tia,
ka voatosika ambongadiny
Hirediredy hamboraka fitia,
Hitaraina mafy ny ho vadiny.
Rangotra.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
794 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0176