Aiza ihany? - Ranoala
Azo vakiana?
Malomaloka ny andro
Tsy mbola hita 'lay masoandro
Angamba kosa tsy nankaiza
fa ao ambadika ao ihany
Na dia rivotra malefaka aza
no mitsoka moramora
mangatsika mamanala
fa aiza ihany 'lay masoandro?
ireto zavona namikitra
nitondra laina mampanjonitra
mifohaza hoy ny akoho
toa mba jenitra ho mavitrika
Aiza ianao ry malala
f'izato andro toa tsy hamokatra
'ndeha isika hifanafana
handrava rahona hisokatra
05/10/2005
Hevitra mandeha
zoky (05/10/2005 12:05:55)
zakilinina (08/10/2005 20:57:02)
Tokony ho tsara ity tononkalon-dRanoala ity saingy mila fanamboarana be eo amin'ny gadona sy rima.
Mombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 05/10/2005
Mpamangy : 1276
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
niova ny tontolodia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira