Misy lavaka ao zalahy! (Ranoala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maikamaika aho taloha
ny hiova tontolo
tampoka amiko avokoa
indro mampihorohoro

Very, irery toy ny adala
nony tojo izay niriana
Inay aho taloha nahalala
Hay ity izy fahoriana

Izay mahita mihomehy
Ity tena vato alatsaka
vao mianatra mandeha
dia mitady hiazakazaka

Feo sy laza: naharoboka
fa izany paradisa
Izao sasatra midaboka
tsy mitsaha-migorisa

Ity revy hay ka nofy
sarisary noforonina
izao ny tena ka farofy
mitsipozy toa nohozonina

Ity Tanjanka hay mandalo
ny bika soa tsy hay tazonina
ny vola koa mora mimalo
sento sisa no antsoina

Ireo noheverina fa namana
vao mahita dia midify
angamba aho efa lanaka,
lavo sy mikotro-nify?

Ireo iray lanana taloha,
diso kajy toa ahy ny maro
Tsy tafarina fa voa
Indreo samy amoron-kady
--------
Rohy:
1599 1
Mpakafy: rabiazazotoavina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonala
Daty : 12/10/2006 06:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155