ndray kakyo! - Ranoala
Azo vakiana?
indray alina
toa fahitana hafahafa
niseho ny abidy
fa inona ary ity?
dia nandray ny penina
sao mba tokony ho tadidy
raha toa hafatra no apetrany
k'inona no teo!!!
rindran-teny?
Tonokalo?
sa ... hira?
dia niezaka hamantatra
kanjo resin-tory indray!
Kelikely vetivety
dia niserana indray
niova ireto endriny
toa mitsilo toa arendrina!
dia nikosomaso hanamarina
ny isan-dratsatanana
mbola teo daholo ny fanana
fa inona no marina?
Nosintonina ny volo
notefahina ny tava
tonga saina tampoka
hay akanjonan'ny mpangalatra
efa dila ro ny entana
ka veloma no napetrany!
04/06/2005
Sokajy :
Fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 08/09/2005
Mpamangy : 1368
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
niova ny tontolodia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira