Ny any aminay (Ranoala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nandeha hono,dia nandeha
dia nandeha tamin'ny tranon-kala
tranon-kala feno teny gasy
gasy kely marani-doha

Dia nandalo hono Rahonala
Ka nandatsaka tononkalo
mbo inona no vakin'ny tonokalo?

"Akory jiaby vaomaraina!
Salama salama va ny any dago?
fa ny aty zao tena ngoma
mahatsiarotsiaro 'reo mangahazo,
ny akondro , katsaka, ny voamaina
F'Aiza daholo 'reny zany zao
sa ...nofy sisa ka ventsoina
Aiza daholo no tsy mamaly?
Sa efa lasany cyclone?"

25 NOV 2008
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Aingam-panahy
2747 0
Hevitra mandeha
Laaris ( 12/07/2012 07:18)
mbola indreto fa ts aiza
reo izay tadiavinao
ny mangazo ts nankaiza
ny voamaina mbola ao
ny akondro tsindrin-tsakafo
no niakatra,nihalafo
ny katsaka ato vao arotsaka
fa tononkalo no azo atosaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonala
Daty : 25/11/2008 11:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103