Embona (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola miotsana ny fo, mahatsiaro ireo, lasa
ao antsaina mitambolona ireo zavatra kinasa!
nofinofy ny ho avy, amiratra toa volana
lohataona lalandava, lavitry ny olana...

Nefa zao dia nandao, voafetra ny fotoana
ilay nokinasa no lalaina, haharitra aman-taona
voninkazo nambolena, nirina ho tonga taho,
fa voasetrasetra ka kivy sady laho

Lalana nodiavina, nadrandraina hasambarana;
Kanefa dia indrisy, fahoriana no nandona varavarana
Orana antenaiko, hitondra aina ty foko karakaina
no nitondra antsanga, ka indro fa nangaina...

Embona iny, tsiro ny taloha
lay nafohy ela be no indro fa nifoha
Ka aza omena tsiny, ra toa ka tomany..
kanefa io ranomasoko io tsy amonto ity tany...

#21/04/2016
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281