Tamin'izay andro izay... (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'izay andro izay, asa raha tadidinao,
Nisy fo iray nifaly noho 'lay tsiky taminao
Tamin'izay andro izay, nisy tena hasambarana
Fa tantara vao manomboka, nantenaina tsy hifarana...

.....

Tamin'izay andro izay, inoako koa fa tsaroanao
Nisy tanana nitsotra, nangataka ho namanao
Tamin'izay andro izay, nanekenao ny fitiavany
Nanoloanao ny taloha, mba ho aingon'ny hoaviny...

.....

Fa tamin'iny andro iny ihany, nisy fo iray naratra
Tsy maintsy hanirery,na dia mbola hoe tsy zatra
Eny tamin'izay andro izay, tsy maintsy namafana 'lay anarako
Tanilan'ilay anao, satria voafetran'ny atreto 'lay izaho natao ho anao...
--------
Rohy:
1140 1
Mpakafy: pia
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146