Fiainana (ravaomanahirana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA

matanjaka ianao
mafy aokizany
miaiky izao tontolo izao
voagejanao ny tany

nafeninao aiza moa
anjaram-pahasambarako
nalainao aiza koa
ilay olom-pitiavako

napotrakao ny aiko
fa tafarina ihany
ny hevitrao tsy haiko
hitolomako hatrany
--------
Rohy:
1251 3
Mpakafy: andriary - monina - nanaina
Hevitra mandeha
andriary ( 26/01/2005 16:48)
Mbola misy any ho any
anjaram-pahasambarana
voatokana ho anao!
Fa ireny lasa ireny
dia serana sy lalo
angamba tsy anjaranao!!!

Misy olona any ho any
olo-tsotra tsy matanjaka
fa misy tanjam-pitiavana
Izy no anjarana
ho avy tsy ho ela
Ka tsy azonao ho lavina!
...tiako ny fomba fanehoanao hevitra an-tonokalo na dia izao aza aho vao namaky ny asa-soratrao!hita taratra ny avy any anaty...tsy miloaka
andriary ( 30/01/2005 10:37)
Azonao raisina koa ioandalan-tonokaloio mba...fiaraha-miasa
tititi ( 20/04/2006 14:38)
zavatra ilaina eto antany nyfitolomana
ka mampahery anao
tohizo atrany atrany

ny anao angamba mety hitohy
fa raha ny ahy
dia efa nafohy

malaelo tokoa izao manoratra izany
fa tsy atao
rah mbola eto antany

aza kivy aza malaelo
ankino amin'Andriamanitra ny fiainana dia adeha soamantsara

izay fa misaotra tamin'ilay tononkalo milay be
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ravaomanahirana
Nampiditra : ravaomanahirana
Daty : 24/01/2005 23:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135