Minitra vitsy (ravaomanahirana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto ampamisavisaina ny omaly
nahitako anao
tsikin-tsika nifamaly
mbola ao an-tsaiko ao

ny masonao nandinika
ny ahy menamenatra
fihetsika madinika
no avy nampiteraka
ny foko hidobodoboka!

fohy loatra ilay minitra
naha-teo anao
ny fitiavako tsy ritra
te hanjoy anao

izaho koa dia adala
olona mandalo iny
ny saiko te halala
ianao ve vahiny?

fa nahoana re
ny masoko tojo ny anao
fa ho aiza koa anie
izany lalanao
handalo eto ihany aho
sao hiverina ianao
--------
Rohy:
986 1
Mpakafy: andriary
Hevitra mandeha
andriary ( 27/01/2005 14:56)
fihetsika nampiodivotra
lamba nielatra monja
hanitra nentin'ny rivotra
fitopan'ny jipo nanonja

Fitiavana kely...

Maso miherika foana
tsiky niantefa tsy fidy
Eritreritra sendra tsaroana
toa vontsy nampangidihidy

Fitiavana kely...

Tonokiran' i Erick Manana , no tsiahiko tamin'ity tonokalonao ity
vetsoko ( 27/01/2005 15:34)
mateti-pitranga mihintsy ry ravaomanahirana io voalazanao tao anaty tononkalo io ,raha izay minitry vitsy efa hitako izay no natambatra ,efa lasa ORA MARO
DadaRabe ( 28/03/2008 01:38)
Mahafinaritra ravaomanahirana à!

DadaRabe
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ravaomanahirana
Nampiditra : ravaomanahirana
Daty : 26/01/2005 18:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138