Mbetika (ravaomanahirana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBETIKA
mbetika ianao
mitady ny tsy misy
maniry ny tsy ao
nofinofy indrisy

tsy ampy foana matetika
hasambaranao
dia indro fa voalentika
fanirianao

ny ampitso tonga indray
fanantenana vaovao
nefa olana hafa iray
namingana anao

eny mbetika ary maro koa
adinao eto an-tany
fitadiavana ny soa
tsy mamela anao hatrany!
--------
Rohy:
1033 4
Hevitra mandeha
andriary ( 30/01/2005 10:30)
Tsy misy hafa afa-tsy ny mampihetsim-poity tnkl ity.
tena misy tokoa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ravaomanahirana
Nampiditra : ravaomanahirana
Daty : 24/01/2005 23:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095