Ianao no safidiny (ravaomanahirana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO SAFIDINY

tazako ianao ,nitantana ny tanany
nidoladola nifamihina
vetivety norohanao ny vavany
izaho nisento sy nangiana

ny anay indrisy, noravany
tsy izaho hono ilay olona niriany
fitiavany ahy foana sy lany
tsy niazona aho raha izay no fifaliany

ny foko tsy mankahala anao
fa manaja ny safidiny
angatahako aminao
kolokoloy fatratra izy!!
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
975 2
Mpakafy: andriary - fitiavana
Hevitra mandeha
Malalason ( 25/01/2005 07:35)
Mampalahelo, raha izay no safidiny dia aza kivy fa mbola misy hafa iray tendry ho anao safidy mbola vaovao, indray mandeha no manta vary, ny toky anie ka tsy fanary...
tsy tena mbola tiany ianao, nefa aza adino fa any ho any misy olo-tia anao mihoatra ny fitiavany
Mahereza !

Malalason
nahrindra ( 26/01/2005 10:19)
Tsy maintsy handalovana izany, efa voasoratra fa hisafidy olon-kafa izy ahafahanao mitia olon-kafa ihany koa.
andriary ( 26/01/2005 16:42)
Raha sambatra izy eny an-tanan'olon-kafa dia ho sambatra koa ianao satria nanaja...ny safidiny!
andriary ( 07/02/2005 12:37)
Mbola ho avy ny anjaranao!any...an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ravaomanahirana
Nampiditra : ravaomanahirana
Daty : 25/01/2005 00:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138