Aza sangiana ny foko (RAVINALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza andramanao akory ny miteny hoe tiako ianaoRaha mbola tsy matoky tanteraka ny fitia izay nomeko
Aza andramanao akory ny miantso ahy hoe malala
Raha toa tsy mbola fantatrao akory ny onjan'ny fitia
Fa fiainana io mantsy ka aza ataonao ho kilalao
Aza akory indray manandrana mandratra ny ao am-po
Hampitera-dranomaso hampitanondrika sy hampitoloko;
Tsy hotatinao akory raha izany todin'ny fitia manjohy eny an-dalanao eny
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana