EMBONEMBONA (RAVINALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay miraona any lavitra any
Ny hiran’ny fitia
Manainga ny ao anaty
Mampanembona ny tiana

Toa mifono misitery
Tsy takatry ny saina
Mampiolonolona irery
Hizaka ny taraina

Injany koa ny orana
Mikararana aok’izany
Miorim-paka lalina
Mampahatsiaro ny fahiny

Milaza mitantara
Ny lasantsika ireny
Ianao angamba mahalala
Fa mangina tsy miteny

Indreo ny zava-boary
Mamoaka ny hankatony
ny foko sarisary
Tsy anilan’ny malalany

Miaina mangigina
Ao anefitranony ao
Mamisavisa faniriana
Hamaky lalam-bao

Ny tsikiko nidify
Sento sisa mba tavela
Na asitriko io tsy afify
Mahatsiaro ny efa ela

Ny handriko miketrona
Ny maso koa mikipy
Lasa ny eritreritra
Mamorona tsy misy
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
70 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146