ILAY SENTO FARANY (RAVINALA)

Nantsain'i LEVASOKA
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miha reraka ny nofo
Malazo ‘zany vony
Ny felana efa niofo
Tsy nanana andry intsony

Nanitsan-dravina ny hazo
Fa maririn'ny ririnina
Malefaka fijery ilay masoandro
Zara raha mazava

Takonan-drahona sy zavon’ny maraina
Mitomany ao anaty firifiry
Mizaka ny afotroa sy fanala
Miady aina resy samy irery

Ny sento farany no nianga
Mialohan’ny handaozana ny tany
F’ilay nokaloiny mba ho anjara, nosoratany ho tantara
Efa tsy antenainy intsony

Fara-ranomasoko eto anio
Harotsako hoan’ny tiako hoy izy
Aoko anefa tsy hodoran-drahona
Fa faly aho rahefa sambatra izy
(ny fara-sentoko ho azy)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Aingam-panahy
114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141