RATRA ANATY TSY MISY MPIAHY (RAVINALA)

Nantsain'i LEVASOKA
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ooo ! ity foko tsy mitony
Manontany tena
Mangolingolika manorisory
Tsongoina fon’ny tena

Miakatrakatra, misavaona eny
Miantsampy an-kazo boboka
Mitorovoka tsy an-drenesa-teny
Midaraboka mianjera

Manandrana ny hiarina
Ka mitady teny mamy
Milomano tsy mitsahatra
Ny omaly sy ny androany

Ny fitempo misendoatra
Harerahana no setriny
Tsy omena tsiny angamba
F’efa maro ny ady ‘zay natrehany

Indro gina sy mangaina
Misentosento manirery
Folak’olo-nantenaina
‘zay kasaina tsisy teny

Tsy tsarovany ny tany
Ijoroany eo io
Ampy izay ny adroany
Ka faranako eto anio

Tsy hiarina intsony
Fa kely sisa hany heriko
Aoka tsy hitony
Ny fery sy ny tsetrako

Mandria am-piadanana ry foko
Milaminà koa ry fery misitery
Ampy izay taraina sy talaho
Mandehanà anaty fasana miery

Ao no misy fitoniana
Fiadanana mamy dia mamy
Ary indro ataoko fiangavina
Aza misy mitomany
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
117 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153