You are here: home > Vetso

Ambohitrimanjaka - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Ao am-pitakelin'Iarivo
No misy ilay tana iray
Tsy mba maro mpanarivo
Tao no nahabe anay

tanana kely mangingina
Tsy dia be mpahalala loatra
Lavi-java mahaliana
Tao izahay no nitoetra

Tsaroako loatra ireo tantara
Nolalovan'ny fahazazana
Tao ny ratsy tao ny tasra
Nefa dia nahatamana

Ao daholo ireo sakaiza
No mandranto sy mizaka
Tsy ho adino n' aiza n' aiza
Ny any AMBOHITRIMANJAKA

Hevitra mandeha

nikopol (28/06/2005 15:25:00)

gasyjean aiza moa le Ambohitrimanjaka io fa ohatra'ny efa reako ? eny akaik'i Merikanjaka ve ? sa aiza ?

gasyjean (29/06/2005 14:25:43)

nikopo: AMBOHITRIMANJAKA dia ao amin'ny fivondronan'
AMBOHIDRATSIMO izanyhoe eny amin'ny digy mampifandray an'Iarivo sy Ivato.

Hametraka hevitra

Midira aloha