Fitiavana (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
He! ianao ry ilay fitiavana.
Izay mangeja olo-maro,
Mampisaraka amin-kavana ;
Nohon'ny hasarotam-piaro.

Maro no efa lasanao.
Na an-trano na an-dalam-be,
Toa tsy misy avelanao;
Na kely na lehibe.

Toa hananao ny hery ,
Tsy laitran'iza ho ravana .
Ireo mitokan-tena irery,
Vao tratranao toa tamana.

Na lavitra na akaiky ;
Tsy misy tsy mahalala anao,
Ataonao miraikiraiky .
Ka tsy mahavita izay atao.

Tsy misy tsy mitady anao
Raha mbola miaina ihany koa
Izay eo am-pelantananao
Dia mamboraka amin'ny fo.
--------
Rohy:
1421 0
Hevitra mandeha
josiarno ( 08/02/2005 18:31)
Fa toy ny zava-drehetra ihany ny fitiavana;teraka mba ho faty,tsara mba ho simba ary maitso mba halazo;mahasitrana ny aretina maro izy nefa mety ho poizina mamono ihany koa.....raha ataoko bango tokana...ny fitiavana dia sady ody no fanafody.JOSIARNO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 05/02/2005 19:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143