You are here: home > Vetso

Herim-pitia - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Raha mba tsapanao mantsy
Izany hery ato anaty
Toa voaboraka tsy satry
vonoana nefa toa tsy maty

Izany 'lay herim-pitia
Mampijaly mankahia
Tsy mba laitram-panafody
Fa mampisaina toy ny tody

Toa mampiteniteny foana
mampilatra-dranomaso
Izay atao toa zava-poana
Fa bongo lava izao ny maso

Asa ianao raha toa ahy ?
Mahatsapa izany rehetra izany
Mahatonga sento sy ahiahy
Ka aza sendra azy ihany

Toa tsy resin'iza n'iza
Rehefa sendra miantefa
Na matanjaka ohatran'iza
Tojo azy dia milefa.

Hevitra mandeha

tia2005 (01/08/2005 11:37:37)

mahery ilay fitia ê!

Hametraka hevitra

Midira aloha