You are here: home > Vetso

Ianao - Jeankely Razafimamonjy

Azo vakiana?

Toa masoandro vao maraina
Feno hery mamelombelona ny aina
Ny mahita anao manoloana ahy
Mahafeno fifaliana ,manala ahiahy

Toa felam-boninkazo vao misantatra
Rakotry ny hatsarana fatratra
Mandravaka ny tontolo iainana
Mahavelom-bolo ny fisainana


Ianao ilay natokana ho ahy
Ho fanilo manazava ny fanahy
Andry mihazona ny tokan-trano
Feo mangan'ny mpitantara angano

Ala maintso sy hiram-boronkely
Ny alahelo tsy hitranga velively
satria ianao no mitoetra ato anaty
Ny fiarahana hitoetra mandra-maty.

Ianao ilay voninkazo manim-pofona
Izato tonon-kiranao manintona ny sofina
Maha te hihaino lalan-dava
Ianao foana no voatonona ao am-bava


Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

josiarno (08/02/2005 19:33:56)

razafimamonjy....te hahafantatra bebe kokoa ny mombamomba anao ny tenako....ny anaranao toa milaza zavatra maro amiko

Hametraka hevitra

Midira aloha